Web - Amazon

We provide Linux to the World


We support WINRAR [What is this] - [Download .exe file(s) for Windows]

CLASSICISTRANIERI HOME PAGE - YOUTUBE CHANNEL
SITEMAP
Audiobooks by Valerio Di Stefano: Single Download - Complete Download [TAR] [WIM] [ZIP] [RAR] - Alphabetical Download  [TAR] [WIM] [ZIP] [RAR] - Download Instructions

Make a donation: IBAN: IT36M0708677020000000008016 - BIC/SWIFT:  ICRAITRRU60 - VALERIO DI STEFANO or
Privacy Policy Cookie Policy Terms and Conditions
Wikipedia - Wikipedia

Wikipedia

Avy amin'i Wikipedia

Wikipedia
Detail of  Wikipedia's multilingual portal. Here, the project's largest language editions are shown.
URL http://www.wikipedia.org/
Dokam-barotra ve? No.
Mahatompony {{{mahatompony}}}
Karazana tranokala Online encyclopedia
Fisoratana {{{soratana}}}
Tompony Wikimedia Foundation
Noforonon'ny Jimmy Wales sy Larry Sanger

Wikipedia (avy amin'ny teny hawaiianina: wiki; ) dia tranonkala iraisam-pirenena Web azo ampiasaina maimaimpoana. Wiki izany no foibe mitahiry ny pejy rehetra, ary ny sehatra (website) Wikipedia no toerana fijerena sy fanovana ny pejy rehetra. Ny teny hoe Wikipedia dia fitambaran'ny teny roa wiki sy encyclopedia. Wikipedia dia nosoratan'ny olona izay te-hanampy tsy noterena na nokaramaina.

[Ovay] Tantara

Image:NupediaLogo.jpg
Nupedia, tetikasa raki-pahalalana iray hafa no niandohan'i Wikipedia.

Ny niantombohan'i Wikipedia dia tetikasa famenon'i Nupedia, raki-pahalalana iray maimaim-poana hita tamin'ny tranonkala izay manam-pahaizana manokana (avara-pianarana sy manana traikefa) no nanoratra ny votoatiny, ary misy fitsipika maro arahin'ny mpanoratra azy. Ny 9 martsa 2000 no niorina i Nupedia, ary kaompanian-tserasera amin'ny tranonkala iray:"Bomis, Inc" no tompony. I Jimmy Wales, lehiben'i Bomis sy i Larry Sanger, tonian'ny fanoratana no isan'ny olona nisongadina tao amin'i Nupedia, sy i Wikipedia tato aoriana. Arak'i Sanger, ny mahasamihafa an'i Wikipedia amin'ireo raki-pahalalana efa misy dia izy malalaka ny votoatiny, tsy voafetra ny habeny noho izy voizina amin'ny tranonkala, mahitsy fijery noho izy ho an'ny daholobe sy an'ny daholobe ary mivelatra amin'ny mpanoratra maro.[1] Fony tamin'ny andron'i Nupedia, dingana fito no narahin'ny lahatsoratra iray vao vita, ary matianina maro no manara-maso izany dingana izany, nefa tsapa tato aoriana fa ela loatra izany sivana izany ka voafetra ihany ny isan'ny lahatsoratra vita. Raha i Bomis ihany no nanohana ara-bola ny fandaniana ilaina, dia nisy fikasana hitadiavam-bola amin'ny alàlan'ny dokambarotra.[1] Lisansy manokana atao hoe Nupedia Open Content License no nitondra an'i Nupedia, fa novaina ho GFDL talohan'ny nanorenana an'i Wikipedia araka ny torohevitr'i Richard Stallman.

Ny 10 janoary 2001, nanolo-kevitra hampiasa wiki eo amin'i Nupedia i Larry Sanger tao anatin'ny mailing list. Hoy indrindra izy tamin'ilay lahatsoratra "Ndeha hanao wiki":

Template:Quotation

(Dikan-teny malalaka; "Let's make a wiki":

Template:Quotation)

Nampilaza tamin'ny mailing list i Sanger momba ny fisokafan'i Wikipedia tamin'ny fomba ofisialy ny 15 janoary 2001 tao amin'ny http://www.wikipedia.com, ary mbola ny teny anglisy no teny tokana nampiasainy.[3] Hatramin'ny 10 janoary izy dia mbola fanampin'i Nupedia.com ahafahan'ny daholobe manoratra lahatsoratra izay hakambana ao anatin'i Nupedia rehefa voatsara. Tsy nankatoavin'ny mpitantana sy mpanolo-tsaina tao amin'i Nupedia anefa ny fomba fivoatrany, koa nijoro ho tetikasa mahaleotena tsy miankina amin'i Nupedia intsony izy. [4] Nofaritana nandritra ny volana vitsivitsy voalohany ny fitsipika "neutral point-of-view" na fijery tsy mitanila, na dia mitovy betsaka tamin'ny fitsipika "nonbias" an'i Nupedia aza. Nisy koa anefa fitsipika hafa vitsivitsy napetraka. Vetivety foana dia nahazo laka tamin'ireo mpandray anjara tao amin'i Nupedia i Wikipedia, nalaza tamin'i Slashdot ihany koa ary teo amin'ireo fikarohana sehatra. Nitombo ny isan'ny lahatsoratra, nanodidina ny 20.000 ny isany ary 18 ireo tenim-pirenena nampiasana azy tamin'ny taona voalohany nisiany. 26 izany isan'ny tenim-pirenena izany ny faran'ny taona 2002, 46 tamin'ny faran'ny taona 2003 ary 161 ny faran'ny taona 2004.[5] Niara-nisy ny Nupedia sy Wikipedia mandra-pikaton'ny Nupedia tanteraka ny taona 2003, ka nametrahana ny lahatsoratra rehetra tao anatiny ho ao amin'i Wikipedia.

Wikipedia anglisy tamin'ny 30 martsa 2001, roa volana sy tapany taorian'ny niorenany.
Angezao
Wikipedia anglisy tamin'ny 30 martsa 2001, roa volana sy tapany taorian'ny niorenany.

Raha arak'i Wales sy Sanger, dia en:Portland Pattern Repository na WikiWikiWeb an'i en:Ward Cunningham no fototry ny fampiasana wiki tamin'ny Wikipedia. Nomarihin'i Wales fa reny tamin'i Jeremy Rosenfeld, mpiasa iray tao amin'i Bomis ny ambangovangony momba azy io, ny volana desambra 2000,[6] nefa taorian'ny nandrenesan'i Sanger ny fisian'io wiki io tamin'i Ben Kovitz[4] ny volana janoary 2001 no vao nanolorany hevitra an'i Wales hampiasana wiki amin'i Nupediata, sy nanombohan'ny tantaran'i Wikipedia. Niara-nisy tamin'i Nupedia hatramin'ny fiantombohany koa ny tetikasa iray GNUpedia izay malalaka ny votoatiny nefa tsy nampiasa wiki. Taty aoriana dia nitsahatra ny fivoarany, ary i Richard Stallman, fantatra indrindra eo amin'ny sehatry ny rindrankajy izay mpamorona an'i GNUpedia koa dia nitondra ny anjara-birikiny tamin'i Wikipedia.[7]

Naneho ny fiahiahiany ny dokambarotra sy ny fahabangan'ny fanaraha-maso amin'ny Wikipedia anglisy ny mpikambana maro tao amin'ny Wikipedia espaniôla, ary namorona ny tetikasa Enciclopedia Libre izay niainga avy amin'i Wikipedia ny volana febroary 2002. Io taona io ihany, taty aoriana kely, dia nanao fanambarana i Wales fa tsy haneho dokambarotra ny Wikipedia ary hafindra ao amin'i wikipedia.org ny sehatra. Hosinganina koa ny tetikasa Wikinfo, izay niainga avy tamin'i Wikipedia ihany nefa niala tamin'ilay fitsipika "fijery tsy mitanila" (neutral point-of-view) mba ahafahany mametraka lahatsoratra hafa misy fijery "sympathetic point-of-view".

Niforona avy amin'i Wikipedia sy Nupedia ny 20 jiona 2003 ny Wikimedia Foundation.[8] Taorian'izay dia niasa tao anatin'io fikambanana tsy itadiavam-bola io i Wikipedia sy ireo tetikasa rahavavy. "In Memoriam: September 11 Wiki" no tetikasa rahavavin'i Wikipedia niseho voalohany, niforona ny volana oktobra 2002 hitantarana amin'ny antsipirihany ny fanafihana an'i Etazonia tamin'ny 11 septambra;[9] Natomboka ny volana desambra 2002 ny tetikasa rakibolana Wiktionary na Wikibolana; herinandro taorian'izay i Wikiquote, tahirina quotations; ary iray volana taty aoriana i Wikibooks, angona boky maimaim-poana. Avy eo dia maro ny tetikasa hafa natomboka izay hita etsy ambany ny antsipirihany.

Amin'ny tenim-pirenena hafa
Our "Network":

Project Gutenberg
https://gutenberg.classicistranieri.com

Encyclopaedia Britannica 1911
https://encyclopaediabritannica.classicistranieri.com

Librivox Audiobooks
https://librivox.classicistranieri.com

Linux Distributions
https://old.classicistranieri.com

Magnatune (MP3 Music)
https://magnatune.classicistranieri.com

Static Wikipedia (June 2008)
https://wikipedia.classicistranieri.com

Static Wikipedia (March 2008)
https://wikipedia2007.classicistranieri.com/mar2008/

Static Wikipedia (2007)
https://wikipedia2007.classicistranieri.com

Static Wikipedia (2006)
https://wikipedia2006.classicistranieri.com

Liber Liber
https://liberliber.classicistranieri.com

ZIM Files for Kiwix
https://zim.classicistranieri.com


Other Websites:

Bach - Goldberg Variations
https://www.goldbergvariations.org

Lazarillo de Tormes
https://www.lazarillodetormes.org

Madame Bovary
https://www.madamebovary.org

Il Fu Mattia Pascal
https://www.mattiapascal.it

The Voice in the Desert
https://www.thevoiceinthedesert.org

Confessione d'un amore fascista
https://www.amorefascista.it

Malinverno
https://www.malinverno.org

Debito formativo
https://www.debitoformativo.it

Adina Spire
https://www.adinaspire.com