Web - Amazon

We provide Linux to the World


We support WINRAR [What is this] - [Download .exe file(s) for Windows]

CLASSICISTRANIERI HOME PAGE - YOUTUBE CHANNEL
SITEMAP
Audiobooks by Valerio Di Stefano: Single Download - Complete Download [TAR] [WIM] [ZIP] [RAR] - Alphabetical Download  [TAR] [WIM] [ZIP] [RAR] - Download Instructions

Make a donation: IBAN: IT36M0708677020000000008016 - BIC/SWIFT:  ICRAITRRU60 - VALERIO DI STEFANO or
Privacy Policy Cookie Policy Terms and Conditions
Famadihana - Wikipedia

Famadihana

Avy amin'i Wikipedia

Isan'ny fomban-drazana iray mampiavaka ny Malagasy ny Famadihana, izay antsoina koa hoe famonosan-damba. Ny Famadihana dia fety atokan'ny Malagasy hahatsiarovana ireo efa maty. Anehoana ny fifandraisana mbola misy eo amin'ny velona sy ny maty izy, izany hoe anehoana ny fanajàna sy fanomezana hasina ny razana. Atao amin'izany ihany koa ny fangataham-pitahiana amin'ny razana. Tsy vitan'ny hoe hahatsiarovana izy io, fa indrindra ahazoana miverina mikasika ireo efa maty.

Betsaka ny fomba atao mandritra io famadihana io :

  • famerenana ny famonosana ireo maty, izany hoe iverenana fonosina lambamena izy ireo
  • fampidirana anaty fasana ireo faty nalevina anirotra (ny zazakely ohatra, satria raha zaza no maty dia tsy sokafana ny fasana fa alevina anirotra, izany hoe eo akaikin'ny fasana)
  • fotoana ahazoan'ny fianakaviana mifankahita koa izy io
  • fanasana ny mpiray tanana sy ny manodidina rehetra amin'ny sakafo.

[Ovay] Ny mampiavaka ny famadihana

  • ny mozika : matetika dia manakarana mpanao mozika mihitsy ny tompon-draharaha mba hampandihizana ny olona
  • ny sakafo : any amin'ny toerana sasany dia antsoina mihitsy hoe "vary be menaka" na "vary be saosy" izy io, noho ny atiny : mamono omby na kisoa iray na maromaro mihitsy ny tompon-draharaha hamokisana ny olona, ary atao izay hampatavy ny sakafo, mba hahatsiarovan'ny olona ny tsirony
  • kaho-drazana : vola omen'ny olona nasaina ho an'ny tompom-pety.

[Ovay] Fotoana famadihana

Tsy tena misy daty voatokana hanaovana famadihana fa arakaraky ny hevitry ny ray aman-dreny ao amin'ny fianakaviana :

  • matetika dia ny iray amin'ireo ray aman-dreny no milaza hoe : "nanonofy an-dranona (olona efa maty) aho halina, ka niteny izy hoe mangatsiaka izahay"
  • volana Jolay ka hatramin'ny Septambra no fotoana fanaovana famadihana

[Ovay] Kiana

Ny fivavahana kristianina sasany, indrindra indrindra ny Protestanta dia manambara ny Famadihana ho fomba iray mifanipaka amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Kilasiana ho fanompoan-tsampy ny famadihana noho izy heverina ho ivavahana amin'ny razana. Ny karazana mpivavaka sasany toy ny Mpiandry dia tsy mahazo mandray anjara amin'ny Famadihana mihitsy.

Etsy andaniny anefa ny fivavahana Katolika dia tsapa ho mandefitra kokoa ity fomba iray ity.

Our "Network":

Project Gutenberg
https://gutenberg.classicistranieri.com

Encyclopaedia Britannica 1911
https://encyclopaediabritannica.classicistranieri.com

Librivox Audiobooks
https://librivox.classicistranieri.com

Linux Distributions
https://old.classicistranieri.com

Magnatune (MP3 Music)
https://magnatune.classicistranieri.com

Static Wikipedia (June 2008)
https://wikipedia.classicistranieri.com

Static Wikipedia (March 2008)
https://wikipedia2007.classicistranieri.com/mar2008/

Static Wikipedia (2007)
https://wikipedia2007.classicistranieri.com

Static Wikipedia (2006)
https://wikipedia2006.classicistranieri.com

Liber Liber
https://liberliber.classicistranieri.com

ZIM Files for Kiwix
https://zim.classicistranieri.com


Other Websites:

Bach - Goldberg Variations
https://www.goldbergvariations.org

Lazarillo de Tormes
https://www.lazarillodetormes.org

Madame Bovary
https://www.madamebovary.org

Il Fu Mattia Pascal
https://www.mattiapascal.it

The Voice in the Desert
https://www.thevoiceinthedesert.org

Confessione d'un amore fascista
https://www.amorefascista.it

Malinverno
https://www.malinverno.org

Debito formativo
https://www.debitoformativo.it

Adina Spire
https://www.adinaspire.com